Skip to main content

Beta testing. Real payments work with crypto only. Card payments (Stripe) are test-only for now.

Back to news
Handball
1 min read

Baolina kitra : Nodimandry ny Me Kira Michel

Misaona ny baolina kitra malagasy. Nindaosin’ny fahafatesana ny alakamisy lasa teo, teny amin’ny trano fonenany, teny Alasora, teo amin’ny faha-76 taonany, ny Me Kira Michel. Nitarika ny fahafatesany ny aretina efa nandazo azy fotoana naharitra. Mpilalao nitondra avo ny voninahitr’i Madagasikara Ratompokolahy.

Misaona ny baolina kitra malagasy. Nindaosin’ny fahafatesana ny alakamisy lasa teo, teny amin’ny trano fonenany, teny Alasora, teo amin’ny faha-76 taonany, ny Me Kira Michel. Nitarika ny fahafatesany ny aretina efa nandazo azy fotoana naharitra. Mpilalao nitondra avo ny voninahitr’i Mada­gasikara Ratompo­ko­lahy. Irakiraka sady kapitenin’ny ekipam-pirenena Club M, tany amin’ny taona 80. Maro ny klioba nilalaovany fa tao amin’ny Corps enseignants Toliara no nandaniany ny hatanorany. Nampiavaka azy ny tongony havia sy ny fitaka ary ny fandakana “coup franc”. Nampiaiky ireo mpilalao afrikanina ny talentany ka anisan’izany, ireo kamerone, i Roger Mila, sy ilay mpiandry tsatoby i Thomas N’Kono. Noho izany fahaizany izany no nahazoany ny anarana hoe: “Maître”. Izy rahateo mpampianatra tany Toliara. Maro ireo klioba tany ivelany niantso azy, saingy tsy navelan’ny mpitondra tamin’izany fotoana izany nandeha izy. Rehare­han’ny faritra Atsimo andrefana Ratompokolahy ka nampitondraina ny anarany ny kianja ao Andaboly. Ankoatra ny baolina kitra, mpilalao handball sy volley-ball koa ny tenany. Mialoha ny hitondrana azy any Toliara, andrasana etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny nofo mangatsiakany, anio. Mirary fiononana feno ho an’ny vady aman-janany sy ny fianakaviana manontolo ny Gazety Taratra.

Comments0

Your sport, all in one place

Handball

Follow the stories, and hear of new ones in your feed and notifications.

Picks to explore

All Handball picks

About this story and its source

Who published the story, when it came out, and where to read more.

It was published on September 26, 2026 and last updated on October 9, 2026. The time of the story is shown in your own time zone on the page.

Open the Handball news for more stories, or see the matches with analyst picks and the list of analysts to compare their records before you buy a pick.