Skip to main content

Beta testing. Real payments work with crypto only. Card payments (Stripe) are test-only for now.

Back to news
Handball
1 min read

Handball – Afrika «Cadets» : Mbola resin’i Tunisie indray i Madagasikara

“Resy indray...!” Mitohy hatrany ny vokatra ratsy ho an’ny ekipam-pirenena malagasy Akio, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2026”, taranja handball, sokajy “cadets”, lehilahy, izay tontosaina any Côte d’Ivoire, hatra­min’ny 22 septambra.

“Resy indray…!” Mitohy hatrany ny vokatra ratsy ho an’ny ekipam-pirenena malagasy Akio, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2026”, taranja handball, sokajy “cadets”, lehilahy, izay tontosaina any Côte d’Ivoire, hatra­min’ny 22 septambra. Mbola niondrika teo anatrehan’i Tunisie, tamin’ny isa 62 no ho 20, indray ny Malagasy mpilalao, omaly, nandritra ny andro faharoan’ny fifanintsanana isam-bondrona, ho an’ny sokajy “B”. Raha hiverenana kely ny fifanandrinan’ny roa tonta, hitan’ireo tonizianina ny tandre­vaka amin’ny fiarovan-tenan’ny Malagasy ka niraraka toy ny rano ny baolina tafiditr’izy ireo, teo amin’ny fidirana voalo­hany. Sahirana tamin’ny fanafihana ny Akio. Isa 33 no ho 13 no nentin’ny roa tonta niala sasatra. Taorian’izay, mbola nampiseho ny heriny hatrany ny ekipa magrebianina, ary nampitombo ny isa teny amin’ny solaitrabe, niafara tamin’ny isa 62 no ho 20 ny fihaonan’ny roa tonta, nandresy i Tunisie. Araka izany, ity no faharesena faharoa azon’i Madagasikara tamin’ ity Can ity. Tsiahivina fa efa lavon’i Algérie, 36 no ho 15, i Madagasikara tamin’ny lalao voalohany. Hifandona amin’i Nigeria indray moa i Madagasikara rahampitso.

Comments0

Your sport, all in one place

Handball

Follow the stories, and hear of new ones in your feed and notifications.

Picks to explore

All Handball picks

About this story and its source

Who published the story, when it came out, and where to read more.

It was published on September 17, 2026 and last updated on October 9, 2026. The time of the story is shown in your own time zone on the page.

Open the Handball news for more stories, or see the matches with analyst picks and the list of analysts to compare their records before you buy a pick.